FAKAN-KEVITRA NASIONALY MOMBA NY DRAFITR’ASA IRAISAM-PIRENENA VAOVAO MOMBA NY KARAZA-JAVAMANANAINA HO TANTERAHINA MANOMBOKA NY TAONA 2020
Ity fakan-kevitra ity dia natao mba hanagalana ireo hevitry ny tanora Malagasy mahakasika ireo fanatsarana rehetra tsara apetraka eto Madagasikara sy maneran-tany eo amin'ny sehatry ny fahaiza-mitantana ny harena voajanahary sy karazan-java-manan'aina.
Ireo tanora (16- 35 taona) na fikambanana tanora eto Madagasikara dia asaina haneho ny heviny ary koa hanao sonia ireo fehin-kevitra ao anatin'ity "Fehin-kevitry ny tanora ho amin'ny ilay vina Miaina mirindra miaraka amin'ny karazan-java-manan'aina"
Inty ilay fehin-kevitra: https://drive.google.com/file/d/1xmPpvlnyHX45U8LqQYBXMc9OYxfPIuxf/view?usp=sharing
Email *
Mahakasika ilay tanora maneho ny heviny
Valio ireo fanontaniana eo ambany izay mahakasika anao manokana na ny fikambanana tanora misy anao. Marihina fa ireo antontan'isa izay alaina eto dia tsy afaka zarainay amin'ny daholobe fa ampiasainay hoan'ny fandraisanay ny hevitrao amin'ity fehin-kevitra ity ihany
Taona naterahanao *
MM
/
DD
/
YYYY
Adiresy izay misy anao (Fokontany, Kaominina, Distrika, Faritra) *
Sokajy (lahy sa vavy sa tsy te haneho hevitra ) *
Raha mpikambana amin'ny fikambana ny tanora ianao dia soraty ny anaran'ilay fikambanana *
Fankasitrahana ireo ezaka efa misy
- Ny finiavan’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny politikam-panjakana mikendry ny handrakotra ala an’i Madagasikara indray amin’ny fambolen-kazo amina velaran-tany mirefy 40 000 hektara isan-taona amin’ny vina fanamaitsoana an’i Madagasikara
- Ny fanatrarana ny vinan’i Durban dia ny hitantana amin’ny fomba lovain-jafy ny rohivoahary voajanarintsika amin’ny velarana 6 tapitrisa hektara
- Ny ezaka ataon’ireo mpisehatra samihafa, isan’izany ny fiarahamonim-pirenena, ho fanetanana sy fanabeazana ara-tontolo iainana ary ny finiavana hikajy ny karazan-javamananaina.
- Ireo ezaka fametrahana ny fizahan-tany lovain-jafy mba hanomezana vahana sy hiarovana ny karazan-javamananaina sy ny ady amin'ny fahantrana
- Ireo ezaka fametrahana ny fomba fitantanana lovain-jafy ireo harena an-dranomasina izay mitsinjo ny karazan-javamananaina sy ny filàna eny ifotony.
- Ireo ezaka ataon'ny sehatra tsy miankina amin'ny fampiharana ny fomba famokarana lovain-jafy.
- Ny maha-zava-dehibe ny fametrahana vahaolana hafa avy amin’ireo mpisehatra samihafa amin'ny lafin’ny famokarana sy ny fanjifana lovain-jafy.

Misy hevitra hafa tinao hampiana na fanamariana ve? *
Ireo ahiahinay
Manahy eo anatrehan’ny fiheban’ny fitrandrahana mandripaka ny karazan-javamananaina misy eto amin-tsika ary ny fiankinandoha be loatra amin’ny loharanon-karena voajanahary, ny fandripahana ala tsy misy fiafarana, ny fitrandrahana diso tafahoatra ny harena ankibon’ny tany ao anaty faritra arovana, ny fivarotana tsy ara-dalàna ireo karazan-biby sy karazan-javamaniry harenantsika, ny voka-dratsin’ny fandotoana ny rano sy ny rivotra, ny fiantraikany ratsy ateraky ny karazan-javamananaina mora mihombo sy mahenika ary manelingelina ny rohivoahary (ohatra amin’izany ny foza orana, ny tsikafona ,…..), ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro eo amin’ny fainana andavanandro;
Manahy amin’ny tsy firoboroboan’ny fanomezana sehatra sy fampandraisana anjara ireo tanora sy ny fokonolona amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fitantanana ny karazan-javamananaina;
Tsy mandry saina noho ny fanjakan’ny tsimatimanota manoloana ireo fandikan-dalàna amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fanaparam-pahefana diso tafahoatra, ny fanjakan’ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra, ary ny tsy firindran’ny rafita mpampanoa lalàna sy ny fanarahamaso ara-tontolo iainana.
Manahy ny amin’ny fahantran’ny Malagasy sy ny tsy fahatomombanan’ny fitantanana izay manjaka amin’ny ambaratonga rehetra.
Manamarika manokana ny tsy fahombiazan’ny rafitra fanombanana sy fanadihadiana ny fiantraikan’ny famatsiam-bola sy ny fitrandrahana marosamihafa amin’ny tontolo iainana sy ny fanarahamaso ireo famatsiam-bola mitondra fiantraikany ratsy betsaka amin’ny karazan-javamananaina sy ny fokonolona.
Sahiran-tsaina noho ny tsy fahampian’ny fanetsehana sy fanomezana ireo enti-manana sy fahaiza-manao omena ny tanora sy ny fokonolona ahafahan’izy ireo mandray anjara feno sady mitondra ny anjara birikiny amin’ny lafin’ny fanapahan-kevitra sy ny fitantanana ny karazan-javamananaina .
Mahatsapa fa tsy ampy ary tsy mahomby ireo seha-pivelomana sy ireo tolo-kevitra hafa amin’ny fomba fitrandrahana lovain-jafy izay fanao amin’izao fotoana ho fampiroboroboana ny fivadihana tsikelikely makany amin’ny fampiasana lovain-jafy ary hamerana ny famotehana ireo rohivoahary voajanaharintsika.

Misy hevitra hafa tinao hampiana na famarihana ve? *
Sosokevitray ary ny andraikitra raisinay
Izahay tanora nandray anjara amin’ny fakan-kevitra nasionalin’ny tanora sy ny fokonolona momba ny drafitra faha aotra amin’ny Drafitr’Asa Maneran-tany Vaovao ho an’ny Karazan-javamananaina aorinan’ny taona 2020, dia manolo-kevitra toy izao:
- Miandany sy manatontosa ny politika mahakasika ny fanabeazana mitondra fanovana dieny mbola kely ary amin’ireo ambaratonga rehetra mba:
o Hahatonga fiovan’ny fitondran-tena mba hanome vahana ny karazan-javamananaina sy fomba fiainana mirindra amin’ny natiora
o Hanome lanja, hitahiry sy hiaro (anisan’izany ny fiarovana amin’ny mety ho vokadratsin’ny rafi-panabeazana ofisialy an-tsekoly/efa mahazatra), ary hampita amin’ny taranaka mifandimby ireo fahalalana nenti-paharazana
- Mamolavola ary manatanteraka tolotra hafa vaovao amin’ny vahaolana manoloana ny fitrandrahana ireo angovo tsy azo avaozina
- Mitana sy manatsara ny politikan’ny famerenana ny alan’i Madagasikara sy ny fampiharana izany mba hahatonga azy hifanaraka kokoa amin’ny zava-misy, hazava kokoa, tena hahomby, ary mampientana hatrany no sady tsy manao ambanin-javatra ny fikajiana sy fitantanana lovain-jafy ireo ala mbola tavela.
- Manamafy ny fahombiazan’ny fitantanana ireo Faritra Arovana mba hisorohana ny trangan’ny « Faritra arovana an-taratasy » («paper park »), izay Faritra Arovana voarakitra amin’ny fomba ofisialy an-taratasy kanefa tsy misitraka ireo tohana sy fitantana ilaina hanatrarana ny tanjona napetra ho azy ireny
- Mampihatra ireo sazy sy dina mifandraika amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary, sady manamafy ny rafitra mpampanoa lalàna miompana amin’ireo fandikan-dalàna amin’ny sehatry ny tontolo iainana.
- Manentana ny tanora mba hiditra sy handray anjara mavitrika amin’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana
- Mikaroka sy mitondra ireo enti-manana ho fanamafisana ny fahafaha-manao sy ireo fandaharanasa/rohifiasa momba ny fampandraisan’anjara sy fanomezana sehatra amin’ny rafi-panapahana sy ny rafi-panatanterahana ny fitantanana ara-tontolo iainana/ny kazaran-javamananaina sy ny harena voajanahary ho an’ny tanora
Noho izany izahay dia manaiky ny hanatanteraka ireto asa manaraka ireto:
- Hanohana sy hamporisika ireo hetsika ataon’ny tanora amin’ny ady amin’ny faharinganan’ny karazan-javamananaina sy ny harena voajanahary
- Hampandre ny feon’ny tanora malagasy amin’ny alalan’ny ady sisika amin’ny manampahefana mpanapa-kevitra sy ireo mpiara-misehatra hafa ao anatin’ny fitantanana lovain-jafin’ny karazan-javamananaina sy ny harena voajanahary
- Hamolavola sy hanatontosa paikady nasionaly ho an’ny ady sisika hampahafantarana ny fehin-kevitra nasionalin’ny tanora momba ny karazan-javamananaina sy ny harena voajanahary
- Hamolavola sy hanatontosa paikady, araka izay azo atao sy ny enti-manana eo am-pelatanana sy ny fanohana misy, drafitr’asa nasionalin’ny tanora ho an’ny fitantanana maharitra ny karazan-javamananaina sy ny harena voajanahary amin’ny ankapobeny sy fanatanterahana ny Drafita Maneran-tany Vaovao ho an’ny karazan-javamananaina sy ny harena voajanahary aorian’ny 2020 indrindra indrindra
- Hampihanatra sy hampahafantatra ny daholobe ny maha zava-dehibe ny karazan-javamananaina sy ny harena voajanahary amin’ny alalan’ny filatsahana an-tsitrapo
- Hampihanatra sy hampahafantatra ny daholobe sy ireo manampahefana mpanapa-kevitra ny amin’ny mahazava-dehibe ny filatsahana an-tsitrapon’ny tanora
- Hanamafy, amin’ny alalan’ny teknolojiam-tserasera vaovao (tambazotran-tserasera sy aterineto) ny fifandraisana eo an’ivon’ireo mpiara-misehatra rehetra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Misy hevitra hafa tinao hampiana  na fanamarihana ve? *
Ireo tsanga-kevitra avy aminay tanora mikasika ilay drafitra faha aotra amin’ny Drafitr’Asa Maneran-tany Vaovao ho an’ny Karazan-javamananaina. (ity dia mahakasika ilay drafitr'asa iraisam-pirenena, jereo ny tranokala: https://www.cbd.int/conferences/post2020)
a. Rafitra amin’ny ankapoben’ilay drafitra faha aotra
Araky ny soso-kevitra avy aminay tanora, dia ireto no fanatsarana tokony entina mahakasika ny firafitra amin’ny ankapoben’ilay drafitra faha aotra amin’ny Drafitr’Asa Maneran-tany Vaovao ho an’ny Karazan-javamananaina aorinan’ny taona 2020:
- Mampiasa fiteny tsotra, mazava, fohy sy nanentana ary maneho mivantana ny tena zava-kendren’ny tanjona tsirairay
- Mampisongadina ny fomba fiasa, tanjona, zana-tanjona na tondro izay miantoka ny fametrahana ny rariny eo amin’ny taranaka mifandimby
- Hiandany sy hametraka fomba fiasa mifototra ny zon’ny tsirairay amin’ny firafitra ankapobeny
- Hampiditra tanjona iray mikasika ny rijan-dalàna miaro ireo mpiaro ny karazan-javamananaina sy ny tontolo iainana
- Hanamafy ireo andalana mikasika ny rafitra fanaraha-maso
- Hampiditra ny fampiharana ny fitsipiky ny fitandremana ao antin’ireo fepetra mahalavorary manoloana ny firoboroboan’ny fampiasana ny biôteknôlôjia.

b. Ireo fanamarihana avy aminay tanora manokana momba ireo andalana ao amin’ny Drafitra faha aotra
- Tanjona 1: Ny ezaka rehetra amin’ny fikajiana sy ny famerenana amin'ny laoniny dia tsy tokony hisaraka amin'ny kalitaon'ny fitantanana atao isaky ny toerana. Raha mandray ny tanjon'ny Aichi faha 11 ohatra isika dia tsindriany manokana fa ny fitantanana ireo toerana voaro sy tafaverina amin'ny laoniny ireo dia tsy maintsy manaja ny fitsipiky ny fitantanana lovain-jafy izany hoe voatantana amin'ny fomba mahomby sy ara-drariny. Ny olan'ny « Faritra arovana an-taratasy » ("paper park") anefa dia tranga misy maneran-tany ary ny fametrahana sata maha Faritra Arovana dia mbola dingana fotsiny fa tsy tanjona amin'ny fitantanana maharitra ireo faritra manan-karena ara-javamananaina sy manome tombontsoa ara-rohivoahary maromaro. Sosokevitra momba ny singa mandrafitra ny tanjona tokony araha-maso : Tokony hevirina ihany koa ny fiovana entin’ny fanajariana ny tany ho lasa tanàn-dehibe satria i Afrika dia iray amin'ireo manana taha ambony amin’ny firoborobon’ny velaran’ny tanàn-dehibe ary izany dia mitaky rindran-famina avo lenta izay tsy mijery ny fikajiana fotsiny iany ny fampiasana lovain-jafy ny harena voajanahary ihany koa izay hiatrehana ny filan'ny mponina.
- Tanjona 2: Ilaina ny miverina amin'ny adihevitra momba ny fiarovana hentitra izay mametraka fa 10%-n’ny velarantany no tsy maintsy ambany fiarovana hentitra. Ny ankamaroan'ny faritra izay manakarena karazan-javamananaina dia misy mponina mipetraka ao aminy. Noho izany, io salanisa io dia tokony mifanaraka amin’ny toe-javatra misy isaky ny firenena. Tokony haverina volavolaina noho izany io tanjona io hanome fahalalahana kokoa ary tsy tokony raketina amin’ny salanisa tokana.
- Tanjona 4: Ireo tondron’ito tanjona ito dia tokony arindra amin’ireo tondro ampiasain’ireo fifanarahana iraisam-pirenena hafa misahana ireo karazana loharanom-pandotoana toy ny fako indostrialy/nokleary, fako mampidi-doza avy mandingana sisin-tany sy fari-dranomasina, ny solika; ampidirina ao ihany koa ireo tondro mampiseho ny kalitaon'ny rano sy ny rivotra.
- Tanjona 7: Ampidirina ao ireo karazan-javamananaina fatao fanafody ka hiantohana ny fizarana ara-drariny sy tsy miangatra ireo tombon-tsoa azo avy amin'ny fampiasana azy ireny
- Tanjona 9: Atsaraina ireo vahaolana mifototra amin'ny natiora miantoka ny famatsiana rano madio sy sakafo.
- Tanjona 15: Ampiasaina amin'ny fomba mangarahara ireo enti-manana ary ampiroboroboana ny fiaraha-miasa hisorohana ny fiverimberenan'ny lesoka stratejika amin'ny fampiasana azy ireo.
- Tanjona 18: Iverenana volavolaina ito tanjona ito mba hampidirana ny ao ny fanabeazana mitondra fanovana (« éducation transformative »), izany hoe ampidirina amin’ireo ambaratongam-pianarana rehetra ny lohahevitra momba ny karazan-javamananaina sy ny fampandrosoana lovain-jafy ary ny lova ara-kolontsaina. Ny fanabeazana mitondra fanovana dia tokony mahavita mitahiry ireo fahalalana netim-paharazana, ka miaro azy ireo amin’ny fitotonganana mety ateraky ny rafi-panabeazana ofisialy an-tsekoly/efa mahazatra
- Tanjona 19 : Iverenana volavolaina ito tanjona ito mba hisahanany ny fandraisan’anjara fenon’ny tanora sy ny fokonolona ary ny vehivavy amin’ny rafi-panapahana sy ny rafi-pampiharana, ampian’ny fanomezana fitaovana sahaza sy mifanaraka ho azy ireo. Ny fanekena ireo zo dia tokony ho tanjona na zana-tanjona mitokana sady feno mba hampazava tsara io lohahevitra io sy ny fanatontosana azy amin’ito drafitra ito

Misy hevitra hafa tinao hampiana ve?
Mankasitraka indrindra amin'ny fanehoan-kevitra
Raha misy fanontaniana dia aza misalasala mandefa hafatra amin'ny pejy facebook-nay : Malagasy Youth Biodiversity Network na mandefa hafatra amin'ny mailaka mybncp@gmail.com

Manasa anao ihany koa izahay hiditra ho mpikambana (18-35 taona) ao amin'ny Malagasy Youth Biodiversity Network ka noho izany dia tadiavo ny groupe Facebook : MYBN Community, valio ireo fanontaniana rehetra ao ary fenohy ilay rohy ao aminilay groupe.

Misaotra dia mandra-pitafa.
Submit
Clear form
Never submit passwords through Google Forms.
This content is neither created nor endorsed by Google. Report Abuse - Terms of Service - Privacy Policy