Mpikambana Vaovao GSM 2022
Ny  Geological Society of Madagascar (ou GSM) dia fikambanana izay mampiray ireo olona eto Madagasikara (mpianatra, mpampianatra, eo anivon’ny sehatra akademika sy sehatry ny asa, ary ireo olon-tsotra) izay liana amin’ny « Géosciences » na Haibolantany.  Nijoro ara-panjakàna ny 22 Jolay 2019 ny GSM rehefa nahatanteraka soa amantsara ny fivoriana lehibe voalohany ny Zoma 24 May 2019. Ny fikambanana dia voafehin’ny hintsivolana ​ ​n°​ ​60–133 tamin’ny ​03​ ​oktobra​ ​1960 izay misahana ny momba ny resaka fikambanana.

Ny GSM dia fikambanana tsy miankina amin’ny resaka politika ary tsy handraisana tombontsoa ara-bola ("apolitique", "non-profit organization"). Misahana manokana ny resaka ara-tsiantifika sy fampianarana izy, ary miezaka ny manome lanja ny fahalalàna siantifika mifandray amin’ny « Géosciences » na ny Haibolatany eto Madagasikara.  

​Ny filamatry ny GSM dia “Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika” izay manambara fa misokatra sy mivelatra amin’ny rehetra. Tsy manisy ary manafoana tanteraka ny fanavakavahana ny fikambanana.
 
Ny fikambanana GSM dia nandray ho tanjona ny :
- Fanasongadinana ny fifampizaràna fahalalàna sy fahaizana ary fiainana eo amin'ny sehatry ny « géoscience » na haibolatany. Ny fifampizaràna dia mety ho an'ny mpikambana samy mpikambana, na eto an-toerana izany na ivelan’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fampiofànana ("formation"), fifampivoriana ("conference, workshop"), ary fiaraha-miasa maro samihafa ("collaboration") no anehoana izany fifampizaràna izany. Ny fifampizaràna dia natao ihany koa ho an'ny mpikambana sy olon-tsotra izay liana amin'ny resaka haibolantany. Araka ny vinan'ny fikambanana dia tsy manavaka izahay, ary mandray ireo zay liana sy te-hiara-hiasa. Tafiditra anatin'ny fifampizaràna ny fampifandraisana ny mpikambana sy ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny hetsika « outreach » (izay antsoina koa hoe "sensibilisation").

- Fanentanana sy fampirisihina ary famolavolana ny ankizy sy tanora Malagasy izay hoavin’ny firenena eo amin’ny sehatry ny haibolatany amin’ny alalan’ny fampiofanana, ny ‘mentoring’, ny fangatahana fanampiana ara-bola ahafahana mampisondrotra ny “Geosciences” ("demande de subventions"). Ireo dia mba hahafahan'ireo tanora Malagasy mifanampy amin'ny fiaraha-monina misy azy.
 
- Fahombiazana eo anivon’ny sehatra rehetra na eo amin’ny resaka fianarana izany na eo amin’ny sehatry ny arak’asa.  
 
- Fitazomana hatrany ny maha-Malagasy sy fanajàna ny fomba amam-panao, ary fanehoana hatrany ny maha olom-pirenena vanona, marina ary hananan-toky ny tena ("éthiques et integrité")  ho fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny firenena Malagasy sy ny Planeta Tany amin'ny ankapobeny.

Ny fikambanana GSM dia mampiray ireo olona rehetra ara-batana na ara-tsaina liana amin’ny tanjona napetraky ny fikambanana ary manaja ny fepetra sy rafitra napetraka ho an’ny mpikambana manokana.  


FE-PETRA TAKIANA RAHA HIDITRA MPIKAMBANA VAOVAO IANAO:
- Mahafeno antsakany sy andavany ity 'fiche d'inscription' ity
- Mahaloa ny droit d'adhésion --> Mahazo badge
- Manaiky handoa ny latsakemboka (jereo ny toro-lalana eo amin'ny pejy manaraka)
- Miditra ao anatin'ny Groupe Facebook "Mpikambana GSM"  https://bit.ly/3oukCAJ
Sign in to Google to save your progress. Learn more
Email *
Anarana *
Fanampin'anarana *
Sexe *
Required
Daty nahaterahana (andro/volana/taona) *
Firenena onenana *
Ohatra: Madagasikara, Frantsa, Etazonia, Afrika Atsimo
Adiresy *
Iangaviana ianao hameno mazava tsara ny adiresy fonenanao
e-mail *
Numerao telefaonina *
ampiaraho amin'ny code telefonika azafady. (2613405xxxxx). Aza asiana elanelana ny nomerao.
Asa Atao *
Mpianatra, Mpampianatra...
Toerana iasàna na ianarana *
Taranja ifantohana *
Ohatra: Géologie Minière, Geologie Environmentale, Paléontologie, Hydrogéologie, Géotechnologie, etc.
Diplaoma azonao farany *
Ohatra: Masters, PhD
Taona nahazoanao io diplaoma io *
Ohatra : 1980, 2000, 2010, etc.
Sokajy maha-mpikambana (misafidiana iray) *
Inona no antony hidiranao mpikambana ato amin'ny GSM? *
Mazoto ve ianao handray anjara mavitrika ato amin'ny GSM? Raha eny, eo amin'ny sehatry ny inona? *
Ohatra: Komity ara-pitaovana, komity ara-tseratsera, komity ara-bola, outreach, Geo-PhotoContest, Birao .....
Next
Clear form
Never submit passwords through Google Forms.
This content is neither created nor endorsed by Google. Report Abuse - Terms of Service - Privacy Policy